Vaksiny sy ny safidy ara-pahalalana : Hanaiky an-jambany sa handa an-jambany ?

Fanekena ara-pahalalana

Tsara marihina ety am-piandohana fa tsy fanoherana na koa famporisihana hanao vakisny no anton’ny lahatsoratra fa ezaka fampivelarana ny sahan-kevitra enti-manadihady ny mombamomba rehetra ireo resaka mifamahofaho manodidina ny vaksiny tsy ny eto Madagasikara ihany fa indrindra koa mikasika ireo faritra sy firenena hafa manana endrika na toetra ara-pahasalamana tahaka an’i Madagasikara.

Ny fahafantarana fa ny vaksiny atao eto Madagasikara dia ny Covishield, vaksiny vokarin’ny orinasa Astrazeneca dia mametra avy hatrany ny rohin-kevitra rehetra hifantoka ary tsy hifantoka raha tsy amin’izany ihany. Ny mombamomba io vaksiny io, ny fomba fiasany, ireo vokatra ampanantenainy, ireo voka-dratsy aterany no andeha hozohintsika. Satria ny fahalalana feno sy mazava ireny rehetra ireny no manampy indrindra tsy hanaiky na handa an-jambany ny vaksiny, mba tsy ho fanapahan-kevitra toy ny manara-drenirano noteren’ny maro na ny manodidina no raisina fa kosa nalaina avy amin’ny fandinihana sy fahalalana feno ireo zava-misy sy ireo voka-panadihadihana ary ireo fikarohana maro samy hafa. Izany no antsoina hoe “fanekena ara-pahalalana”, fototra ijoroan’ny fitsaboana maoderina, manazava ny lalan-tsaina mitondra amin’ny tena safidy malalaka, ka hanekena na handavana an-tsitrapo ny fanaovam-baksiny. Izay rehetra manan-tsofina aoka izy hihaino, izay manan-tsaina, aoka izy hahalala.

Covishield, mbola amperim-panandramana

Tsara tsipihina fa ny vaksiny Covidshield dia mbola eo amperim-panandramana. Vaksiny vokarin’ny orinasa Astrazeneca, noforonina hiarovana amin’ny otrikaretina Covid-19. Karazam-baksiny vaovao izy ity satria ny ampahan’ny zenôman’ny otrikaretina no ampidirina ao anaty mba hamoronana hery fiarovana, ampahany ihany koa noho izany ny fiarovana azo, ary azo antoka fa tsy hiaro amin’ireo fiovaovan’ny viriosy. Raha toa ka otrikaretina feno nohamarefoina no ampidirina amin’ny vaksiny mahazatra, izay miteraka fiarovana feno sy maharitra ary amin’ny endrika miovan’ny viriosy. Na dia mbola amin’ny faha-14 febroary 2023 aza vao ho vita ny fanandramana ara-klinika hijerena sy hanaovana ny tomban’ezaka mikasika ny tena vokatry ny Covishield dia efa natomboka sahady ireo tsindrona tany ami’ireo firenena maro ary indrindra koa eto Madagasikara. Raha ny salan’isan’ny voka-panandrana anefa no jerena hatreto dia 70% isan-jaton’ny olona voatsindrona ihany no sitrana. Raha oharina amin’ny vaksiny hafa dia ambany io salan’isa 70% io anefa dia nolazaina sy nampidirina ho anisan’ireo karazam-baksiny azo ekena ny Covishield Astrazeneca.

Covishield, fanontaniana mikasika ny fahombiazany

Azo lazaina fa tsy mbola tena mazava tsara ny fahombiazan’ny Covishield, tsara tsipihana anefa fa miaro ireo voatsindrona tsy ho tratry ny endrika mihombo ny Covid-19 izy, ary izay ny antony tena hamerana azy hoan’ireo olona be taona, mihoatra ny 55 taona sy ireo olona manana aretina sarotra tsaboina toy ny homamiadana ihany any amin’ny tany tandrefana. Tsy natao ho an’ny 18 taona miakatra noho izany izy io ary mampametra-panontaniana ihany ny fampiasana azy amin’ny vondron’olona latsaky ny 50 taona aty Madagasikara, eny na dia an-tsitrapo aza ny fanekena. Ary misy aza firenena nampiato sy nanda ny tsy hampiasa azy intsony noho ireo voka-dratsy aterany, tahaka ny fahafatesana, fahafatesana tampoka, ny fivaiganan’ny ra, ny fikorontan’ny fiasan’ny fo, ny aretim-bavony, ny aretin’aty, ny fahatapahan’ny lalan-dra, ny diabeta, ny fahasemporana, ny aretina an-doha, ny fahalemena tampoka raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Ny fitsaboana ny ra mivaingana sy ny fo marary anefa dia tena mihoam-pampana raha eto Madagasikara. Iza, izay any ambanivohitra na an-drenivohitra ohatra no hanam-bola hanaova echo-doppler indroa na in-telo hitadiavana ny fivaiganan’ny rà, na koa afaka hividy ny fanafody hitsaboana ny fo raha miseho izany ?

Mampihena ny fihanaky ny aretina ve ny Covishield ? Fanontaniana mbola mila fikarohana sy fandinihana ihany koa izany, satria tena misy tokoa ireo olona na dia vita vaksiny aza dia mbola tratry ny aretina ary afaka mamindra ny aretina amin’ny manodidina azy. Izany no mitondra ireo mpikaroka hanambara fa tsy ho ampy velively ny tsindrona roa, fa mety mbola hisy ny tsindrona faha-telo tsy maintsy atao hitadiavana ny hery fiarovana feno antenaina. Fanantenana ihany anefa izany satria tsy mbola azo lazaina fa hijanona hatreo ny isan’ny tsindrona tena ilaina. Tsy ahitam-baliny koa hatreto ny fanontaniana hoe maharitra hafiriana ny hery fiarovana azo avy amin’ny vaksiny. Ny azo lazaina dia iray volana aty aorian’ny tsindrona voalohany dia ilaina ny tsindrona faharoa, ary miaro roa volana ihany ve izany ka mitarika amin’ny tsindrona faha-telo ?  

Raha nolazaina fa tsy miditra amin’ny sela ny zenôman’ny  otrikaretina ampidirina ao anaty entin’ny vaksiny dia tsy izany intsony izao ny fahalalana vaovao navoakan’ireo mpikaroka, satria afaka miditra sy miraikitra ao amin’ny zenôman’ilay voatsindrona ny zenôman’ny otrikaretina. Tsy fantatra hatreto ny mety ho vokatr’izany izao dia izao sy any aoriana any. Satria mety afaka hifoha io zenôman’ny Covid-19 io any aoriana any, tsy fantatra izany mety hampifoha azy, ary rahoviana , ary tena hifoha ve sa hangina ihany ?

Raha azo lazaina sy marina ary fa miaro tsy ho tratry ny fihombon’ny aretina ny vaksiny dia misy koa anefa ireo voka-dratsy entiny tsara ho fantatry ny tsirairay alohan’ny hanekena na handavana ny vaksiny. Izany fanekena ara-pahalalana izany no fahafahana mbola ananana ary mila arovana sy ampiroboroboana manoloana ny tsaho mandeha etsy sy eroa, ka tena hahafahana mandray ny fanapahan-kevitra mavava vokatry ny fisainana sy ny fahalalana.

Reply