Sélectionner une page

Ny filozofia sy foto-pisainana Malagasy ao ambadiky ny filazana hoe Masina ny Tanindrazana

Ny filozofia sy foto-pisainana Malagasy ao ambadiky ny filazana hoe Masina ny Tanindrazana
[social_warfare ]

Masina ny Tanindrazana !

Masina ny Tanindrazana ! re matetika izany fehezan-teny izany ho famaranan-kabary sy teo anivon’ireo mpitolona Malagay nikatsaka ny fahaleovan-tena fony mbola voazanaka ny firenena Malagasy. Inona marina tokoa ireo foto-pisainana lalina Malagasy raiketin’izany fehezanteny izany ?

Isika Malagasy irery angamba no miantso ny tany nihaviany hoe Tanindrazana, isika irery no mampifaningotra ny tany fihaviana amin’ireo razana. Hafa kely sy tokana aman-tany tokoa izany ary maneho avy hatrany ny kolontsiana mampiavaka antsika Malagasy dia tsy inona fa ny finoana sy ny fivavahana amin’ny razana. Maneho koa izany ny fifaningoran’ny tontolo ara-panahy amin’ny lafim-piainan’ny Malagasy. Mila heverina izany indrindra rehefa mihevitra ny fampandrosoana sy fanandratana ny firenena.

Raha jerena ny dikan-teny omen’ny rakibolana Rajemisa dia izao no voarakitra ao “Ny Tanindrazana dia Tany niavian’ ireo razana ary ilevenany: Entina any an-tanindrazana ny taolambalon’ ny olona maty any an-tany hafa [Rajemisa 1985].

Azo sintonina avy hatrany amin’izany famaritana izany ary fa amin’ny fiheverana Malagasy, ny Tany dia an’ireo razana fa tsy an’ny velona aloha. Andeha ary hohadihadiantsika miaraka ny mikasika ny Tanindrazana sy ny finoan’ny Malagasy ny razana ka mahatonga ny fitenenana hoe Masina ny Tanindrazana. Aoka hazava dieny ety am-pihandohana fa ho an’ny Malagasy raha miresaka momba ny razana izy dia tsy ilay vata be maty no resahina fa ireo Ntaolo izay tsy heveriny hoe maty fa mbola velona any ankoatra. Misy filozofia sy foto-pisainana tsara hohadihadiana izany ao ambadik’io teny hoe Tanindrazana io, mba tena hahatakarantsika ny tena hevitry ny fehezanteny, rehefa miteny hoe Masina ny Tanindrazana ! tany ivelomana, tany ilevenana.

Tanindrazana tanin’ny velona sy ny maty tsy mba maty

Raha kirakiraina ny teny hoe Tanindrazana dia mahazo teny anakiroa isika, Tany sy Razana, tonga teny tokana hoe Tanindrazana. Tsy taniko, na taninao, na tanintsika fa tanin-drazana. Ireo Razana na ireo Ntaolo no tompon’ny Tany. Ny tany iainan’ireo velona ary izany dia azo lazaina koa hoe tany misy sy an’ireo razana. Ny fanontaniana voalohany mipetraka amintsika ary izany dia hoe Iza moa ireo razana lazaina eto ?

Ny Razana raha faritana dia ireo izay rehetra nodimandry, fa tsara soratana dieny eto aloha anefa fa ho an’ny Malagasy dia tsy mba maty ny fanahy fa kosa inoany indrindra fa mbola miaina any an-koatra ireo razana, ny vatana no maty fa ny fanahy no mitahy sy miaro ary mitso-drano ireo velona dia ireo taranany fara aman-dimby. Raha tsy manao izany izireny dia antsoiny sy fohaziny hiady vomanga. Ny razana izany dia fanahy, miaina anaty tontolo fanahy fa tsy ilay maty afenina na alevina ao anatin’ny fasan-drazany akory. Mifandray tendro ao anatin’io teny Tanindrazana io izany :

  • Ny tontolo hita maso : ny tany mirakitra ireo velona rehetra, na ny biby izay na ny olona mbamin’ny zava-maniry ihany koa
  • sy ny tontolo tsy hitan’ny maso dia ny tontolo misy ilay Andriamanitra, sy ireo razana miampy ireo tontolo fanahy hafa rehetra tsy hita maso.

Tontolo roa miavaka tsara no ampihaonin’ny Malagasy ao anatin’io teny hoe Tanindrazana io, dia ny tontolon’ny fanahy, misy an’ Andriamanitra, sy ny tontolon’ny olombelona.

Izany dia afaka hisintonana sahady sy ahafahana milaza fa olon’ny fanahy ny Malagasy. Antitraterin’ilay filaza mifono fahendrena hoe “Ny Fanahy no maha-olona” izany. Ny tanindrazana izany dia tanin’ireo velona, tanin’ny ireo maty anefa mbola velona any an-koatra, tany ifampizaran’ny velona sy ireo razana. Tany ivelomana, sy tany ilevenana, ary koa tany iriariavan’ny fanahy. Ny Tanindrazana izany ho antsika Malagasy dia Tany tetezana mampita amin’ny tontolo any-an-koatra, mampifandray ireo velona rehetra amin’ny samy velona, ary koa ny velona amin’ireo efa nodimandry na niafina, na nafenina any an-ankoatra tsy hitan’ny maso,any amin’ilay fiainantsihita.

Tsy azo heverina velively eo amin’ny Malagasy ny andevenana ny vata-beny an-tany hafa ary lazainy mihintsy hoe very faty raha tsy tafody sy tafaverina any an-tanindrazana ilay efa nodimandry. Ambarany sy hita taratra izany amin’ny soatoaviny ka hilazany hoe velona iray trano, maty iray fasana. Tsy misara-mianakavy tokoa ny Malagasy ! ny zanaka sy ny zafikely mbamin’ny zafiafy, dia manao toy ny tohy vakana amin’ny finoana sy ny fivavahana amin’ny razana. Ary tsikaritra ny fanatrehan’ireo razana eny na dia an-tokatranon’ny Malagasy aza dia misy faritra voatokana sy masina ho an’ny razana : ilay faritra avaratra atsinanana dia nantsoina hoe zoro firarazana. Toerana masina izay mampifandray ny mampifanohy ireo tontolon’ny velona sy ny maty.

Ho an’ny Malagasy, ny tanindrazana ary izany dia mirakitra ny fiainana, amin’ny fahafenoany rehetra, tsy mijanona amin’ny fahavelomana ihany fa misy ny fahafatesana ihany koa izay mitondra ho amin’ny fahamasinana, izany hoe ny maty izany dia tsy heverina fa maty, fa kosa mbola miaina ka inoan’ny Malagasy fa mbola velona any- an-koatra, koa ny fahafatesana dia anisan’ny lalam-piainana vita soritra ekeny, lalan-kizoran’ireo fanahy ho lasan-ko andriamanitra ho lasa masina. Tsy midika izany akory hoe mitovy amin’Andriamanitra ireo maty, fa nantsoina hoe andriamanitra izy ireo satria efa lasa any amin’ilay tontolon’ny fanahy, ary mahay sy mahefa ary mahavita zavatra izay tsy hain’ny velona atao. Izany no mitondra sy miteraka fahamasinana amin’ny toerana rehetra izay misy ireo taolam-balon’ireo razambe, ireo razam-panjakana na ireo mpanjaka izay hasinina any amin’ireny Doany ireny ohatra, satria izireny dia noheverina fa manankasina ary mitahiry sy mihazona ny Hasina nananany fony fahavelony. Izany indrindra no mahatonga ny Malagasy hahatsiaro hatrany fa Masina ny tanindrazana, satria mirakitra ireo masina, dia tsy iza izany fa ireo razany.

Raha dinihina akaiky ary izany dia tsy ny velona no manana na tompon’ny aina hoy ny Malagasy. Fa ny fiainana no tompon’ny fahavelomana. Ho an’ny Malagasy ny fiainana dia mirakitra mifanesisesy ny fahaterahana, fahazazana, fahatanorana, fahalehibeazana, ny fahanterana, ary tsy adino ary tsy mijanona eo amin’ny fahafatesana ny fiainana fa misy fitohizany any an-koatra ho amin’ny fahamasinana.  Ny fahamasinana izay maneho ny fiainan’ireo razana any ankoatra dia hita taratra amin’ny fiarovana, fitahiana sy fiahiana raisin’ireo taranaka mifandimby. Raha razana tsy hitahy hoy ny Malagasy dia fohazy hiady vomanga.

Raha fintinina izany ny fiainana amin’ny fahafenoany tanteraka ho an’ny Malagasy dia mirakitra ny fahaterahana, ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahalehibeazana, ny fahanterana, ny fahafatesana, ary ny firazanana azo antsoina koa hoe fahamasinana. Ireo fitohitohizam-piainana ireo, isaky ny dingana lehibe dia arahina fombafomba amam-panao mba hizotra tsara tsy misy manohina ny fiainana. Ny dingana miala amin’ny fahaterahana ho amin’ny fahazazana dia mifandrohy amin’ny firazanana na fiainana an-koatra, ary mahatonga ny Malagasy haka hevitra sy hanontany ireny ombiasy ireny, izay olona afaka mampita ny vavaka sy mahay mampiteny ny Tanindrazana, dia tsy iza moa izany fa ireo razana ihany. Zava-dehibe sy manan-danja ary indrindra manankasina ary omena hasina izany ny razana ho an’ny Malagasy, satria izy ireo dia noheverina ho afaka mampifandray ny velona amin’Andriamanitra, toy ny mpanelanelana afaka hiresahana sy hangataham-pitahiana ary fahombiazana.

Izany fifandraisana amin’ny Tanindrazana izany dia maneho ny firindran’ny fiarahamonin’ny olombelona amin’ny fiarahamonina sy fisiana tsy hita maso. Averina indray fa “Ny fanahy no maha-olona” hoy ny Malagasy, azo heverina fa manankina tanteraka ny fiainany amin’ny tontolo ara-panahy ny Malagasy.

Mitohy dia mitohy tokoa ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Izany finoana Malagasy izany dia efa teo, taloha be ny nahatongavana na nidiran’ny  fivavahana kristiainina tao Madagasikara,  izay mino ihany koa ny fiainana any-ankoatra, sy ny fisian’ireo olo-masina. Ho an’ny Malagasy, ny endriky ny olombelona no miova maka ny endriky ny razana, tonga masina, mody andriamanitra aorian’ny fahafatesana. Izany no antony hankamasinan’ny Malgasy ny Tanindrazana.

Maneho ny lalam-piainana fototra sy lalim-paka eken’ny foto-pisainana sy ny filozofia Malagasy izany ny filazana fa masina ny Tanindrazana.

Izany rehetra izany dia ahafahantsika milaza fa ny Malagasy dia azo lazaina fa manana fomba fijery hafa sy miavaka tokoa ny izao tontolo izao manodidina azy. Ny Tanindrazana no tena fisiana sy izy aminy. Ny lanitra sy tany no miombona ho iray. Ary ny fitambaran’ireo no miteraka tontolo feno misitery, sy karazam-pifandraisana tsy takatra ary tsy hay azavain’ireo tsy mino, satria misy fombafomba ao, misy fomban-drazana, misy teny, misy vavaka, misy fanahy, misy aina, misy zavatra, misy vato, misy hazo, misy famantarana, misy fanambarana, misy fady, misy zava-masina, misy zava-miafina.

Ao amin’ny Tanindrazana dia samy manana ny toerany sy ny andrakiny na ny velona na ny maty arakaraky ny vintany tsirairay avy. Misy ireo olona manana fahaizana manokana mamaky sy mampifandray ireo tontolo roa ireo, nantsoin’ny Malagasy hoe Mpisikidy sy Mpanandro na koa ombiasy izay tsy noheverina hoe mpamosavy. Tonga famantarana avokoa noho izany ny zava-drehetra ho an’ny Malagasy, ireo razana dia mifandray amin’ny velona amin’ny alalan’ny famantarana. Ny maty sy ny velona dia samy miaina, miara-miana, ny velona an-tanindrazana, tanin’ireo razana, tanin’ireo masina izay manome sy mitondra ny fahamasinan’ny tany.

Azo lazaina ary izany fa ny teny hoe Tanindrazana dia ampy sy azo anehoana ny fisainan’ny Malagasy sy ny fiheverany fa mamy ny miaina, nahatsapany fa vetivety no hanaovany ireo dingana samy hafa alohan’ny hahatongavany amin’ny fahafatesana, izay mitondra azy indray amin’ny fiainantsy hita, fiainana miafina, dia ny firazanana na fahamasinana. Hoy tokoa ny Malagasy hoe : Ny Aina fofo-nahandro, raha sokafana dia lasa. Ka izany no mbola anatenany ny fiainana any an-koatra, fiainana miriaria izay mirindra ary mifanaraka amin’ireo Razana, ireo Masina. Ka nahatonga azy haka mora satria tsy eto an-tany ihany no mamaritra ny fiainany fa misy dia misy tokoa ary hinoany fatratra ny fiainana any an-koatra. Moramora satria tsy tapitra hatreo ny fiainana rehefa maty ka hafenina ilay vatabe.

Azo lazaina koa anefa fa nivoatra sy miova ny fiheverana ny Tanindrazana ary mbola mety hiova koa aza any aoriana any, ao ny mamikitra amin’ny fototra nihaviany, izay mirakitra ireo tontolo ara-panahy rehetra voambara teny aloha, ao kosa ireo Malagasy tafasaraka amin’ny fomba amam-panao ka mijanona amin’ny rohin’ny tany nihaviana ny tanindrazana, tsy tanindrazana intsony no filaza fa tany nihaviana. Ao koa ireo tsy mihevitra intsony ny tany fihaviana fa tany fivelomana. Ary misy aza moa ireo, tsy miraika intsony ny hoe alevina any antany hafa, antanin’olona hoy ny malagasy, manaiky handoroana ny fatiny ka manaparitaka ny vovon-davenony amin’ny faritra tiany.

Hita taratra amin’ny fanadihadiana ary ny antony hilazan’ny Malagasy hoe masina ny tanindrazana.  Anehoan’ny Malagasy fitiavana lalina ilay Tanindrazana, Fitiavana izay miampita, mianga avy tamin’ireo razana nitolona, ireo menalamba izay nandatsaka ny rany hahazoan’I Madagasikara ny fahleovan-tenany. Midika izany fa lova ny Tanindrazana, nolovaina tamin’ireo razana. Lova sarobidy. Raha latsaka lalina ao ampontsika tokoa mantsy izany hevtry ny teny hoe lova sarobidy I Gasikara dia tsy misy amintsika na dia iray aza hamela ny firenena ho latsaka anatin’ny fahatrana lalina, fa samy hanao izay mety araka ny tandrifiny azy avy ka hampisandratra ny firenena. Ny fanontaniana mipetraka ary izany hamarantska ity lahatsoratra ity dia hoe : ahoana no ataontsika Malagasy amin’ny fampivadiana izany tontolo ara-panahy izany sy ny fampandrosoana ny firenena, mba tsy ho sakana ho an’ny fampandrosoana ny finoana sy foto-pisainana ? Handroso tokoa I MAdagasikara rehefa vitantsika ny mampifanaraka ireo roa tonta ireo.

[social_warfare ]

A propos de l'auteur

1 commentaire

  1. Azziz Abdel

    Misaotre! ary mangataka lahahatsoratra ny tody sy tsiny tompoko azafady!

Laisser une réponse

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *