Sélectionner une page

Hery 4 lehibe hitera-piovana eto amin’izao tontolo izao

Hery 4 lehibe hitera-piovana eto amin’izao tontolo izao
[social_warfare ]

Misy hery 4 izay hitera-piovana manerana ny Tany amin’ireo taona ho avy manaraka. Tonga amin’ny kihon-dalana tsy azony ihodiviarana tokoa mantsy izao tontolo izao. Azo lazaina mihintsy aza fa efa nanomboka miatrika izany fiovana mahery vaika izany isika, vokarin’ireo hery izay hitondra fanavaozana tsy manam-paharoa  indrindra eo amin’ny lafiny ara-toekarena manerana ny tany. Mifampiankina ary mifaningotra ireo hery 4 ireo, ary tsapa fa miha-mahery sy miha-matanjaka hatrany hatrany izireo ka mahatonga ny mpikaroka hilaza fa izireo no hampiditra izao tontolo izao amin’ny vanim-potoana vaovao izay efa manomboka maka endrika sy miorim-paka dieny izao.

1 – Fitomboan’ireo vohitra ivon-teorana ara-toekarena vaovao

Tsy azo sakanana intsony ny fikisaky ny ivo-toerana ara-toekarena eto amin’izao tontolo izao izay hita fa miha-miantsinanana sy miha-mianatsimo. Firenena maro no ho voakasik’izany, tahaka ny any Sina ohatra dia efa nanomboka ny revôlisiona araka indostria sy ny fivoaran’ny tanan-dehibe. Raha tany amin’ireo tany mandroso tandrefana taloha ohatra no nisian’ny foiben-teoran’ireo orinasa mandroso toa an’ny IBM, Nestlé, Shell, Coca-Cola sns. Amin’ny taona 2025 any ho any dia hisokatra any Sina ny antsasak’ireo foiben-toeran’ireo orinasa mandroso vaovao fa tsy any Etazonia sy Eoropa intsony. Ireny vohitra ivon-toerana ara-toekarena vaovao ireny dia hitombo sy hiroborobo aty amin’ny faritra atsimo sy atsinanana, ary ho tonga hery vaovao hampitombo ny isan’ny mponina an-tanan-dehibe. Raha Mombay, Sangay sy Dobay ireo tanan-dehibe mandroso tsy zoviana intsony ho an’ny maro, dia hisy tanana sy vohitra hafa sy vaovao hisandratra tahaka an’I Sinsoa any Taiwan, Santa Katerina any Brazily sy ny sisa sy ny sisa…

2 – Hafaiganam-pandehanan’ny fivoarana ara-teknolojika

Ny hery faharoa izay hitera-piovana dia ny hery vokarin’ireo fandrosoana ara-teknolojia samy hafa sy ny fiantraikany amin’ny lafiny maro. Ary ny tena mampiavaka azy dia ny fahafahany miparitaka haingana ary noho izany manova haingana ihany koa izao tontolo izao. Tsy hiandry 50 taona intsony tahaka ny fivoaran’ny telefaonina ohatra fiitaran’ny fiovana fa ao anatin’ny fotoana fohy sy haingana dia hihanaka manerana izao tontolo izao ireo voka-pikarohana manan-kery enti-manova, izany dia hampihazakazaka ny fanavaozana haterany maiaraka aminy ary hitondra fiovana malaky amin’ny faritra maro manerana izao tontolo izao. Ny herin’ny fivoarana ara-teknolojia dia mampanantena firenena maro fandrosoana, fanavaozana ary fisandratana ara-tsosialy sy ara-ekonomika. Hitombo, hitsangana ary hiroborobo ireo karazana orinasa samy hafa noho izany. Hifandimby sy hisolosolo haingana izy ireny, ary tsy haharitra fa hiovaova ihany koa arakaraky ny teknolojia vaovao izay tsy mitsaha-hiseho.

3 – Fahanteran’ny mponina

Tsy azo lavina intsony fa miha-antitra ny mponina eto amin’izao tontolo izao. Hiha-vitsy ny isan’ny zaza teraka. Miha-fotsy volo izao tontolo izao. Ary hisy firenena toa an’i Japana sy Rosia hahita ary tsy maintsy hiatrika ny fihenan’ny mponina any aminy. Hiitatra any Sina sy Amerika Atsimo sy ireo firenena hafa koa izany. Ny Mponina any Alemana ohatra dia hihena amin’ny ampaha-telony any amn’ny taona 2060 any ho any. Hihena noho izany etsy andaniny ny hery afaka hiasa, ary hitombo kosa etsy ankilany ny fandaniana sy fiantohana sy fandraisana an-tanana ireo beantitra.

4 – Fifaningoran’izao tontolo izao amin’ny sehatra ara-barotra, mponina, toekarena, ary arakisa

Ny hery farany hitondra fanovana mahery vaika tsy azo sakanana dia ny fivoaran’izao tontolo izao, tontolo miha-mifaningotra sy mifampiankina ara-barotra, ara-tserasera, ara-bola, ara-kolona, ary indrindra ara-baovao sy arakisa. Hisy fiantraikany ara-toekarena goavana izany fitontoloana izany. Hiroborobo fatratra ohatra ny fifandraisana ara-barotra amin’I Sina sy Afrika. Azo ekena fa ny firoborobon’ny  fifanakalozana ara-bola, ny fifaneraserana ary ny tsena iraisam-pirenena no toko telo hery hanova ny endrik’izao tontolo izao amin’ireo taona ho avy manaraka.

[social_warfare ]

A propos de l'auteur

Laisser une réponse

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *