Site icon Madagascar Media

Akon’ny Atrikasa sy fanokafana ofisialy ny faha 10 taona Faritany FI.MPI.MA. Frantsa

Akon’ny Atrikasa sy fanokafana ofisialy ny faha 10 taona Faritany FI.MPI.MA. Frantsa
[social_warfare ]

Vita soa ny Atrikasa ny 28-29 sept 2019 lasa teo, tany Saint Romain de Popey, sy ny fanokafana ofisialy ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa. Maro ny olona tonga. Nisy teo amin’ny 60 mahery teo. Nisantatra ny kabary fiarahabana sy fandraisana fitenenana ny Filohan’ny Faritany, Atoa Dera RAMANDRAIVONONA. Notohizan’ny Filoha maneran-tany, Rtoa Hanitra ANDRIAMBOAVONJY izany. Niditra avy hatrany tamin’ny alalan’ny antso (messenger) nitondra ny fiarahabana ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa ny tenany, amin’izao fahatratrarany ny faha 10 taonany izao. Nanokatra tamim-pomba ofisialy izany lanonan-dehibe izany ny Filoha maneran-tany. Avy eo dia nitohy tamin’ny fanaovana ny tatitra ny asa vita, asa miandry, izay nentin’ny Talen’ny fankalazana sady Tonian’ny Faritany, Rtoa Domoina RATOVOSON.

Domoina RATOVOSON – Tonian’ny Faritany FI.MPI.MA Frantsa – Talen’ny fankalazana ny faha 10 taona

Mikasika ny fankalazana ny faha 10 taona

Nanomboka tamin’ny 5 jona 2019 ny fandinihana ny fankalazana ary efa nisy vina mirakitra ireo asa samihafa miandry sy ny fomba hanatanterahana azy (cahier des charges).

Raha fintinina dia efa malaza be hatrany an-tanindrazana ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny Faritany FI.MPIMA. Frantsa, tanteraka soa aman-tsara avokoa ny vina rehetra hatramin’izao ; isaorana indrindra antsika rehetra izay samy nanao soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra  araka izay tratry ny hery sy ny anjara tandrify azy avy : Sampana , Vaomiera isan’isany; indrindra ny Vaomiera mpanakanto, Biraom-paritany.

Ny ivon’ny fankalazana dia hatao any Paris , Salle le Millenaire Savigny le Temple ny Asabotsy 2 may 2020. Hisy koa ny famoahana mpiofana ho mpikabary,  fanasaloran-damba, fampirantiana sy seho samihafa  hatao ny 1 may 2020 ao amin’ny Etablissement  Saint Charles  91 200 ATHIS MONS (akaikin’ny seranam-piaramanidina Orly); mbola ho lazainay aoriana ny andinidininy.

Ny logo sy ny teny fanevan’ny fankalazana dia “ASANDRATRO NY TENIKO, HISONDROTAN’NY TANIKO ».

Ireto ny rohy ahafahana manaraka tsy tapaka ny vaovaon’ny faha 10 taona:

http://fimpima-frantsa.org/

https://www.facebook.com/Fimpima-Faritany-Frantsa-469111896522724/

https://www.youtube.com/channel/UCkqds6cu5lQPrABzRFT836Q

[mo-optin-form id=2]
[social_warfare ]
Quitter la version mobile