Site icon Madagascar Media

Ady amin’ny Covid-19 : Mila fanampiana ny vahoaka

Covid-19 : Madagascar lutte acharnée contre le coronavirus

Ady iombonana izy ity

Ahiahy sy tebiteby no mameno ny sain’ny Malagasy tato ho ato. Mitombo isan’andro tokoa mantsy ireo olona tratry ny Covid-19 eto Madagasikara. Maro ireo olona manantona ireo toeram-pitsaboana saingy indrisy mitombo ihany koa ny fandavana noho ny tsy fahampian-toerana, tsy fisian’ny fanafody ary indrindra ny fahalanian’ny rivotra oksizena satria tsy maharaka ireo mpamorona azy. Tsy ireo ihany anefa no sakana tsy ahafahan’ny Malagasy mitsabo tena tratry ity aretina ity indrindra rehefa izy mihombo, fa eo ko any tsy fananam-bola. Tsy taka-bidy ireo fanafody ilaina sy takiana amin’ny marary, lafo be tafahoatra ny oksizena, ary misy milaza koa aza fa risoriso vao tafiditra eny amin’ny hopitaly. Nabaribarin’ity Covid-19 ity ny tokony hitondram-panovana lalina eo amin’ny sehatra ara-pitsaboana, ny fitaovana ampiasana amin’izany sy ny fandraisana ireo marary. Tsy tokony hanetsika sy hanentana ho amin’ny fitakiana ve ny tsy fitoviana mihoampampana misy eo amin’ny samy Malagasy eo amin’ny lafiny fitsaboana ? Ity aretina ity anefa dia tsy manava-tsaranga, na ny mahantra na ny mpanakarena. Tena ady iombonana izy ity. Na miara-maty, na miara-belona eto isika raha tsy voafongotra tanteraka amin’ny olona rehetra ny otrik’aretina.

Mila fanampiana mifanaraka amin’ny halehiben’ny olana ara-pahasalamana atrehiny ny vahoaka

Lasa toa toe-java-mitranga ny mihevi-diso fa ekena ny fahalafosan’ny fanafody tsy taka-bidy. Azo ekena ve hoe avo dimy heny miohotra amin’ny karama farafahakeliny indrindra ny vidin’ny oksizena ? Tsy takatry ny Malagasy izay tantsaha no maro an’isa izany, ary ireo olona monina amin’ny tanan-dehibe koa aza hita fa tena sahirana ary tsy afaka ny handoa izany vola be izany. Mila fanampiana mifanaraka amin’ny halehiben’ny olana ara-pahasalamana atrehiny ny vahoaka. Miantso ny fanjakana mba hisahana zato isan-jaton’ny lany rehetra amin’ireo marary rehetra tratry ny Covid-19. Azo heverina ihany ko any fijerevana ireo fomba azo atao hampidinana ny vidin’ireo fanafody fampiasa hampitomboana ny hery fiarovana. Tsy maha-diso angamba raha dieny izao dia manova ny laharam-pahamehana ka hifototra tanteraka amin’ny fanampiana sy fisahanana ny lany rehetra an’ireo Malagasy mararin’ny Covid-19 mila famonjena ny Fanjakana. Soa ihany fa mbola eo ireo vokatry ny tany, ireo fanafody nentim-paharazana sy raokandro Malagasy itodihan’ny Malagasy hitsaboany tena.  Mahasitrana izy ireny anefa tsy ampy kosa anefa indraindray. Mandra-pahatongan’ny vaksiny sy ny fanafody avy any ivelany ho enti-misoroka tanteraka ny aretina dia miandrandra sy manantena ny fanampian’ny fanjakana ny vahoaka Malagasy. Ny fahasalamana no voalohan-karena, ny fahasalamana dia zon’ny rehetra no hisitraka azy.

Quitter la version mobile